lundi 20 octobre 2014

Soa ihany aho fa (hanambady aho 2) - Gangstabab feat Narindra

Dada a! Ny sipa tsy maintsy mi-roule

Fa ny kibo no tsy asiana olona


Ka Foto-pisainana GANGSTA

Dia tsy resy tsy akory ny olo-mangina

Fa maninnn?


Fa te hanananatra zanaka tiana!

Fa tsy azonao mihintsy zany reny fananarana nataoko taminao ireny???


Misangisangy aho ry Dada a!

Fa taorinan'za saika hanambady ireny an

Dia resy lahatra aho tamin'ny zavatra voalazanao retraretra

Nefa na izany ary an!

Tiako koa ianao raha mba mihaino ny hevitro

Zahay vehivavy an! Manan-jo hilaza ny hevitray

Za tsy tokony borque-nao isaky ny hiteny

Efa niova ny vatako an, efa niha-lehibe aho

Tsy zazakely intsony

Na dia mbola betsaka ary ny zavatra tsy niainako

KA mila miresaka tsika sy ianao ry Dada a!


Tena mila miresaka milamina mihintsy isika mianaka

Voalohany an: resaka lehilahy

Faharoa an: resaka hanambady

ary fahatelo an: resaka sipakely bevohoka aloha loatra

ANAKA! Matoa aho miteny, tsy hoe tsy fitiavana akory

Fa ianao mila mitandrina, rehefa ho entin'ny bandy matory

Ny lehilahy miaraka aminao, tokony fantarinao ihany

Miara-matory isan'andro izao,

Azonao antoka ve ny fahasalamany

Fantatrao ve ny fiarovan-tena amin'ny firaisana ara-nofo

Nefa izany ary raha aloha loatra tsy ekena,

na dia efa masaka aza ilay mofo

Ianao nefa toa tsy azo sakanana,

Izy ve madio tsisy pentina

Fahasalamana ara-pananahana

Sao dia bandy maloton'aretina

Fanambadiana tsy omaly sy androany,

Na rahampitso sy rafak'ampitso

Tsy vitan'ny cheri cheri je t'aime

Fa mandrakizay doria amen

Dia ianao raha manambady tanora

Manambady alohan'ny fotoana

Sao dia heverinao fa moramora, ka aza manaonao foana

Fa ifanondroan'ny olona molotra, n'aiza n'aiza toerana aleha

Tokantrano tsy misy fototra? Henatra fa tsy ho rehareha

Manambady aloha loatra,

Sa ny any ambany no mangetaheta?

Mangdidy ny ambany foitra, lazain'ny olona fa kely veta


Resy lahatra aho ny amin'izay voalazanao (x2)

Soa ihany aho fa nihaino anao 


Dada a! Za tokoa moa izany tsy mahazo manao bevohoka e???


Tsy ekena ny zaza bikina handeha hianatra izaho no lazaiko aminao

Iomehezan'ny mpianatra sy ny mpampianatra

Vakiana fotsiny tsotra am'zao

Fa dia veloma madinidinika, ianao ry sekoly nianarana

Masina fantimpantenana, Ianao ry trano fianarana

Fa ianao sy ny dabilio, dia efa nisaraka tsisy maratra

Tsy ampy solaitra, tsy ampy coco,





Veloma ny tanjona fa tsy ho tratra

Dia veloma ary ianao ry fahaizana

Eto no tsotsori-mamba isarahana

Dia ho alikiliky ny olona, rehefa ory tsy havan'ny manana

Bevohoka aloha loatra tsy ilaina,

Tsy ho tonga volana mahakely fianoana

Mety ho zaza tara ara-tsaina, hanana olana ara-pitomboana

Bevohoka aloha loatra dia mbola tsy vonona

Ny taova rehetra @ vatanao

Bevohoka aloha loatra

Mitarika olana ara-pahasalamana ao anatinao ao

Maha voan'ny fistule, mamany lava tsy azo sakanana

Efa lasa nitsoaka lay testicule

F'ianao mety ho faty eo am-piterahana

NA miara-maty ianao sy lay zaza

Voka-dratsin'ny vohoka aloha loatra

Na velona mitsipozipozy na sampona! Raha henenina efa tara loatra

Dia tsy hahita fahasamabarana, ianao sy ny zanakao (An???)

Lasa vesatra ho an'ny Ray aman-dReny, ianao sy ny zanakao (Kozy ve???)

Charge hoa an'ny fianakaviana, ianao sy ny zanakao (Ataovy serieux)

Hanakorontana ny mpiray tampo, ianao sy ny zanakao

Dia avy eo ipitsihan'ny bandy,

Sipa iray anaka tsy manan-katokona

Omeny passe tolaka sy vandivandy, ampanantenany tain-tsokina

Iomehezan'ny coff boay, rehefa hitany fa tsy cle

Tonga de largue-ny am'zay, f'efa vitany ny ady cle

Ka ny hanongotsongoana ny maty e, tahotra ny handevim-belona

Ny fananarana atao aminao e, tsy mangidy fa mamy ho atelina

Aleoko lavitra mananatranatra, izay mety hananako tsiny

Toy izay ho latsalatsain'ny nenina,

Hoe tahak'izay nanariko ianao tamin'iny

Ka aleo tonga taona sy matotra,

Vao miroso amin'ny fanambadiana

Fa bevohoka dia ho voafatotra, hisotro ny rano tsy tiana

Lasa omby mahia be tandroka: mizaka ny tsy eran'ny aina

Fa bibikely voafandrika raha sipakely hilalao ranon'aina


Resy lahatra aho ny amin'izay voalazanao (x2)

Soa ihany aho fa nihaino anao 


Dada a! Soa ihany aho fa niresaka taminao

Zavatra tsy noeritrerin'ny saiko

Kay mila fantaina tsara ny lehilahy tokony iarahana

Sady aleo aloha mianoka sy migoka tsara ny fahatanorana

Miala voly, miaraka amin'ny namana sy ny sakaiza

Dia tohizana ny bosy sy ny fianarana

Ahafahana manatratra ny tanjona sy ny nofinofy

Ny namako vehivavy taloha izao an,

Tsy hitako intsony fa nandao ny fianarana

Hay bevohoka dia tsy tazana tsony

Fa mikarakara zaza sy tokantrano

Ry tovovavy tanora, sipakely akamakamako

Kopy nareo tamin'ny voka-dratsy ny zavatra saika nandramako

Aleo aloha mandinika tsara, Calme tsy misendoatra

Fa tsy maimaika hanambady

Dia avy eo: bevohoka aloha loatra

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire