lundi 27 novembre 2017

Ny noelinay ry zareo - Ny Nanahary


Ref :
Ny noelinay ry zareo
Ao an-trano bongo mangingina
Tsy mba laoka vorontsiloza
Fa sosoa miampy kitoza.
Tanin'afo dia izay,
Rom-patsa miaro sakay ;
Tsembotsemboka eo ry zandry
Fa tomany kosa ry zoky
Tomany fa kamboty

Krismasy foana (Noely) - Gangstabab, Voara, Narindra


Andriamanitra o, mitodika aminao izahay
Fa mafy loatra ny fahantrana zakain’ny firenenay
Fa inona loatra no mahazo an’I Madagasikara Andriamanitra ô!
Gisitra maneran-tany
Ary hita eto daholo ny karazana fahoriana rehetra rehetra
Mafy loatra ny kapoka sy fisedrana mahazo anay
Tsy zakanay intsony ny hazo fijaliana
Ny zioga sy kapoaka mangidy iainanay isan’andro

vendredi 10 novembre 2017

Pasteur Jocelyn RANJARISON - Mihaina amin'ny Famindramponao


Miaina amin'ny famindramponao
Isan'andro aho Tompo ô ny fiainako
Miaina amin'ny famindramponao
Sy ny fahasoavanao Tompoko Ianao

Zah Mamafy Teny Fiainana - Misafotofoto



Misafotofoto mafy lotra Jesosy o
Izany onjam-pianana entiko
Te animba ahy e!
Te andredrika ahy
Tsy misy fitsaharana izy ity isan'andro
Tsy aiko hotanterina fa tena tsy zaka e!

jeudi 9 novembre 2017

Tana Gospel Choir (TGC) - Anao ny dera




Andriamanitra Tsitoha, Tompon’izao rehetra izao
(ho deraina foana anie ny Anaranao)
Tsisy zava-mahagaga izay tsy Azonao atao
(tsy hay refesina ny voninahitrao)
Tena masina Ianao Tompo, mpamonjy ny fiainanay

Rija Rasolondraibe - Fanalahidy


Refrain :
Aoka e ! aoka ranona a !
Aoka e! lakile ho aho samy manana e!
(Aoka e ! aoka ranona a !)
(Aoka e! lakile ho aho samy manana e!)

Isaac De Paul - Derao Jesosy


Hitoto rebika isika niany e!
Fiderana tsy misy otran’izany e!
Asandrato ilay mpanjaka
Ilay mpanjaka tompony laka

Tanora in Faith - Loharanoko Ianao Jesosy



Hizarako ny hafaliako, hitantarako izay manjo ahy
Ory amin'ny fahoriako, manafa-tahotra sy ahiahy
Loharanon'ny fisiko, Mpanasitrana, Mpiaro ahy
Mpanefa izay mba faniriako
Mandrakizay eo foana Izy ho ahy

Mahaleo - Saoly niova fo




Fahiny ela be izay dia nisy lehilahy iray
Tody soa amantsara indray an-tanàna nahabe
Tsy niova ilay tanàna mbola toy ilay fahizay
Fa ity lehilahy voalaza no nisy fiovana be

Indray andro ralehilahy handeha ho ao Damaskosy
Teny an-dalana izy nahita an’i Jesosy
Nitodi-doha izy andeha ho ao Jerosalema
Niova fo tanteraka, madio tsy misy kilema

Anicet - Tsy resy tsy miady

Tsy hilavo lefona zaho na ho resy tsy miady
Zaho manana Anao mpanolo-tsaina mahay
Ka izay ho lazainao rahampitso dia ho ekeko sahady
Zaho manaiky Anao mandrakizay

Groupe Ba - Izy ilay Mahery


Na tapina aza ny lalana avy any avaratra
Na tapina aza ny lalana avy any atsimo
Na dia manao izay ho hafany aza ny devoly
Jesosinay manokatra lalana avy any ambony
Na tapina aza ny lalana avy any andrefana
Na tapina aza ny lalana avy atsinanana
Matoky izahay ka tsy misy atahoranay akory
Jesosinay manokatra lalana avy any ambony
Oh Oh Oh

Jim Praise feat Barry's - Ny Fonao



Nafoiny ny lanitra, ilay toerana tsara
Fa naleony nanakaiky anao io
Ianao ilay mpanota efa tokony ho very
Nefa mbola tonga hitady anao Izy
Ianao anie no tiany tsy foiny
Nefa ianao nitady lalana ny andeha
Izy anie miantso, Izy anie miandry
Mijanona ao fa ao ny fiainana anie

Am-pelatananao - Ariane

Endre ilay fitia,
Natolotrao ahy
Nomenao ilay hosotra hanafak'ahy
Fa Ray Ô, tsara ianao
Ianao mpiandry ondry, tsara fanahy
Tsy mba manary na mpanota aho
Fa Ray O tsara ianao