vendredi 3 mai 2019

Jaja - Jesosy ihany, Jesosy hatrany

Na dia maro aza ireo fitsapana
Na dia misy aza ireo fisedrana
Tsy maninona fa any am-parany any
Izany rehetra izany
Ho fifaliana ihany

Na dia misy aza ireo fahoriana
Na mandalo ady sy fijaliana
Tsy maninona f’izany rehetra izany
Jesosy no miady ho ahy hatrany

JESOSY IHANY, JESOSY HATRANY
Tsy ho foana ny fanantenako fa eo Ianao
Mihaino ireo fitarainako
Mampahery ahy mba hiadanako
Jesosy Vatolampy Heriko


Na dia maro aza ireo fahavalo
Ireo mikendry maniry ahy ho lavo
Tsy maninona fa eo ny tananao
Izay mampijoro ahy sy mampandresy indray

Na dia misy aza ireo mpanaratsy
Ireo maneso sy mpandrabiraby
Tsy maninona, tsy ataoko ho sakana
F’izaho hanompo Anao, ny fiainako efa Anao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire