samedi 19 mai 2012

Ambondrona - mandrakizay


Avelao hanaraka anao
Hanandratra avo hatrany ny anaranao
Efa tao am-poko hatrizay

Ka raha sendra sarotra indraindray
Eo foana Ianao ry Ray
Ampy hanazava, hitari-dalana
Na ho mafy aza ny fiainana iainanay ety
Dia tsy hampanahy f’Ianao hanarina
Hatramin’izay aho tsy nanao izay sitraponao
Ka ny androko sisa dia hatokako ho Anao

Mahatsiaro ihany aho ny fiainako tsy ampy
Manahy hatrany ny anio sy ny ho avy
Toa zary fitarainana
Nefa teo foana Ianao
Hatramin’izay ka hatramin’izao
Ny fahasoavanao ihany
Tompo ô! No naha toy izao anay
Na ho mafy aza ny fiainana iainanay ety
Dia tsy hampanahy fa Ianao hanarina
Hatramin’izay aho tsy nanao izay sitraponao

Ka ny androko sisa dia hatokako ho Anao
Ireo namana sy ny manodidina ahy
Hanompo Anao
Raha mbola eto an-tany hatrany an-danitra any
Eeee!!!!!

Mandrakizay, raiso ho Anao ry Ray
Tano ho Anao ny tenanay, fonay
Hanompo Anao ka tahio ry Ray
Ho fahazavanao, tano ho Anao izahay
Mandrakizay, raiso ho Anao ry Ray
Tano ho Anao ny tenanay, fonay
Hanompo Anao ka tahio ry Ray
Ho fahazavanao, tano ho Anao izahay
Mandrakizay, raiso ho Anao ry Ray
Tano ho Anao ny tenanay, fonay
Hanompo Anao ka tahio ry Ray
Ho fahazavanao, tano ho Anao izahay
Ray! Ray! Ray! Ray!
Haleloia! Haleloia!
ouh!ouh!ouh!
Ray! Ray! Ray! Ray!
Haleloia! Haleloia!
ouh!ouh!ouh!
Ray! Ray! Ray! Ray!
Haleloia! haleloia!
ouh!ouh!ouh!
Ray! Ray! Ray! Ray!
Haleloia! haleloia!
ouh!ouh!ouh!
Ray! Ray! Ray! Ray!
Haleloia! Haleloia!
ouh!ouh!ouh!
........

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire