jeudi 14 décembre 2017

Te hanaraka anao - Melky sy Princio



Ref :
Lasa adala mihitsy aho raha vao matazana anao
Tsy te hahalala mihitsy aho fa te hanaraka anao
Fa te hanaraka anao ooo
Lasa jamba mihitsy rehefa mahita anao
Manary lamba mihitsy aho fa te hanaraka anao
Te hanaraka Anao aho
Toa adinoko avokoa ny eto ambon'ny tany
Fa ny masaka an-doha ny eo anilanao ihany
Eo anilanao ihany
Ka tsy rarahin'ny saiko izay any ambadimbadika any
Fa ny zavatra ilaiko dia ny eo anilanao hatrany
Eo anilanao hatrany


Ilay endrikao izay feno tsiky vao maraina eee
Mitondra hery mampilamina ny saina eee
Ka tonga dia tamana aho ka tsy mihanana aho fa te hanaraka anao

Hummm ilay fofonao mamerovero manimanitra eee
Mamelombelon'aina ery ka mahafinaritra eee
Ka tonga dia taraika aho ka tena tsy nanaiky aho fa te hanaraka anao

Ka aza omena tsiny aho raha lasa jamba e
Fa vao nahita anao aho dia tsy naharay lamba e
Fa tena lasa adala ka dia tsy te hahalala
Raha vao mahatazana anao dia lasa adala e!

Ref

Ilay toetranao somary tia mivazaviza eee
Ka mahafinaritra amin'ilay itiavako azy
Ka tonga dia tamana aho ka tsy nihanana aho fa te hanaraka anao

Ilay feonao malefadefaka fiteny
Izay mampitsonika ny foko anie ry neny eee
Ka tonga dia taraika aho ka tena tsy nanaiky aho fa te hanaraka anao

Ka aza omena tsiny aho raha lasa jamba e
Fa vao nahita anao aho dia tsy naharay lamba e
Fa tena lasa adala ka dia tsy te hahalala
Raha vao mahatazana anao dia lasa adala e!

Ref

7 commentaires:

  1. Tena tiko e.bravo Je nareo mianadahy

    RépondreSupprimer
  2. Saisissez votre commentaire…tiko eryyyyyy

    RépondreSupprimer
  3. "Ilay toetranao somary tia mivazaviza eee
    Ka mahafinaritra amin'ilay itiavako azy
    Ka tonga dia tamana aho ka tsy nihanana aho fa te hanaraka anao"....
    Tiko ery ❤️

    RépondreSupprimer
  4. Mahafinaritra mihitsy ny fomba fihiranareo azy. Tohizo fa tsara ô!

    RépondreSupprimer
  5. Tiko be mintsy bravo nareo 👏👏👏

    RépondreSupprimer