lundi 27 novembre 2017

Ny noelinay ry zareo - Ny Nanahary


Ref :
Ny noelinay ry zareo
Ao an-trano bongo mangingina
Tsy mba laoka vorontsiloza
Fa sosoa miampy kitoza.
Tanin'afo dia izay,
Rom-patsa miaro sakay ;
Tsembotsemboka eo ry zandry
Fa tomany kosa ry zoky
Tomany fa kamboty


Mahatsiaro ireo andro fahiny mbola nisy an'ikaiky itosiana
Izao anefa dia afaka ho aiza fa nilaozan'ineny nitaiza
Gadon-kira atopan'ny alina no sisa mandrotsy hombieny

Feom-baliha tinerin'ny sento no miritsoka mamelovelo
Singanin'ny feon-dakolosy izay manaitra indray ny alahelo
Hany hery ny fo ngolingoly manokatra ny baiboly

Raha mahita anay tsy miteny dia mandroaka mena masoandro
Nefa kosa mba tsarovy ihany fa kodiarana anie izany tany
Raha anio izahay mitomany, rahampitso mbola hifaly

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire