mardi 13 mars 2018

MARION - NATAO HO IRAY


Ooh! Ooh! Eeh!
Vao niandoha dia samy nahalala
Fa natao ho iray natao ho iray
Isika roa no ataoko hoe adala
Gidragidra indraindray nifamolaka eny tsy mety fay
Endrey tsika roa
Fianam-pitia tsotsotra no niainanay teny
Fa feno hafanana toa feno ny fo
Nifameno ihany koa na hoe nisy ny adalana
Tsy navelan'ny taona ho leo
Ny antsika roa no hoe anjara
Voasoratra koa ilay tantara
Ny soa indray no ifampizarana
Ho fitaratr'izay any amparany
Ooh! Ooh!


Ankehitriny mitohy ihany ny dia
Fa ianao tia ahy sady tiako
Isika samy tia dia tia
Raha ho avy any andro iray izay mangidy
Ny fonao no ndeha amafisintsika tsy ho tompon'ny ampitso (matokia)
Apetratsika amin'ny Avo ilay ho avy aza kivy
Mbola ho lavitra ny lalana ka dia matokia
Tsimaintsy ho resintsika eny izay mafy sy mangidy
Tanjona iray,ho doria

Ref

Eh eh yeah...
Ianao irery no nahatoy izao sy tokana hany mba nampianatra ahy..eh eah...
Raha izay rehatra vitanao toa tsy mba hilako an'iza ireny
Fa ampy ahy ianao,,,ampy ahy...
Ny antsika roa hoe anjara... (ampy ahy ianao...)
Voasoratra koa ilay tantara... (efa voasoratra e ny momba antsika...)
Ny soa indray no hifampizarana...eh yeah...
Ho fitaratr'izay any am-para e!
Ny antsika roa hoe anjara...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire