lundi 18 mars 2019

CHANTAL et CHAMIR - Hifona


Nanao ny tsy mety aho
Nandika ny voady nifanaovantsika
Tsy nahatsapa akory hoe andratra anao
Fa nataoko ihany mba ho ahy
Ankehitriny resy aho
Ny toetrako rehetra efa hitanao
tsy takona afenina fa hitanao ihany

Ref : Andeha ho any aho hitalaho aminao farany eee
Hiangavy aminao ihany raha mba mandre
Hifona aho hilelapaladia
Androany aho hitazona ny teniko farany
Tsy amerina intsony aho miangavy re
Amindrao fo na tsy mendrika andriiii



Ny saiko tsy mety mino hoe hovitanao ny hanadino
tsy misafidy ny hanao ratsy aho fa tsy natohitra ny fakampanahy
tsy mba tsapako akory tamin'izay hoe aneina ihany aho indray andro any
Ankehitriny vao tsapako ny ngidiny

Ref

2 commentaires: