lundi 8 août 2016

Anao ny dera - Tana Gospel Choir TGC

Andriamanitra Tsitoha,
Tompon'izao rehetra izao.
Hoderaina foana anie ny Anaranao.
Tsisy zava-mahagaga izay tsy azonao atao,
Tsy hay refesina ny voninahitrao.
Tena masina Ianao, Tompo,
Mpamonjy ny fiainanay.

Anao ny dera ry Mpanjakanay,
Mitoerà amin'ny fanahinay.
Miondrika eo an-tongotrao indray izahay,
Anao ny dera sy haja mandrakizay.
Tsy ho toy izao Jeso,
Raha tsy Ianao nampahoriana.
Hoderaina foana anie ny Anaranao.
Ny ainao nahafoinao
tamin'ny hazo fijaliana,
Tsy hay refesina ny voninahitrao.
Tena masina Ianao, Tompo,
Mpamonjy ny fiainanay.
Anao ny dera ry Mpanjakanay,
Mitoerà amin'ny fanahinay.
Miondrika eo an-tongotrao indray izahay,
Anao ny dera sy haja mandrakizay.
Te hitoetra, tsy manana ahiahy,
Feno fiadanana ny fanahy.
Handova fiainana rahatrizay,
Anilanao.
Anao ny dera ry Mpanjakanay,
Mitoerà amin'ny fanahinay.
Miondrika eo an-tongotrao indray izahay,
Anao ny dera sy haja mandrakizay.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire