mercredi 3 août 2016

Ny fiovana - RIJA RSASOLONDRAIBE

Mila tsy hino intsony ny fon’ny ela nijaliana 
Ela loatra ny anjara masoandro e, andron’ny fifaliana
Fanantenana nomena andresena ny tsy finoana


Fa Izy Andriamanitra manala @ fahababoana
Nanonofy aho hoe ny tranoko lasa ngôza be
Trano tsisy fiangarana e, feno fahasambarana e,
Nanonofy aho hoe nomena ny hafalian’ny mpanome
Foko ô vonona ve ianao, iaina zava-baovao?
Fa indro tazako ny fiovana e!
Mbola toa felatanana nefa toa tsy azo ialana e!
Foko ô, faingana miomana
Aza miandry fahagagana a!
Fa tonga dia mitsangana e!
Fa indro tazako ny fiovana e!
Mbola toa felatanana nefa toa tsy azo ialana e!
Foko ô, faingana miomana
Tsy lavitra fahagagana a!
Fa tonga dia mitsangana e!
Na ozona na ambopo n’inona n’inona fangejana
Efa votsitra avy any andanitra e, ny teny fikasana
Tsy tara akory Andriamanitra tompon’ny fotoana!
Fa Izy Andriamanitra manala amin’ny fahababoana
Nanonofy aho hoe resitsika amin’izay ho’aho ny fahantrana
Tonga ny andron’ny fahalalana, na ny mahay aza tratran’ny fahazavana
Nanonofy aho hoe voavonjy daholo ny rai-tanàna,
Foko ô Vonona ve ianao, iaina zava-baovao
Fa indro tazako ny fiovana e!
Mbola toa felatanana nefa toa tsy azo ialana e!
Foko ô, faingana miomana
Aza miandry fahagagana a!
Fa tonga dia mitsangana e!
Fa indro tazako ny fiovana e!
Mbola toa felatanana nefa toa tsy azo ialana e!
Foko ô, faingana miomana
Tsy lavitra fahagagana a!
Fa tonga dia mitsangana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire