mardi 20 septembre 2016

Novonjenao - Joseph D'Af

Nihezaka ihany aho nitady hatrizay

Namana tiako sy tena tia ahy

Reraka aho, vizaka aho

Fa tsy nahita

Namitaka ahy izao tontolo izao

Noheveriko hitondra fiainam-baovao

Kay tomany, sy talaho, no omeny anaooooo






Indray andro aho nahita Anao Jesoa

Tamin’izay aho nahafantatra

Fa Ianao ihany no Andriamanitra Fitiavanaaaaaaaa

Ka tsy nihahotra aho ny hanatona

Nanolotra ny foko ho anao

Dia noraisinao tamimpitiavana ity foko nitalahoooo

Na tsy mendrika aho dia Novonjenao



Ty foko efa babon'ny fitiavanao

Tsy hitodika intsony amin'izao rehetra izao

Jesosy Ô inty aho tiako ianao

Tsy hitady hafa intsony aho ampy ahy ianao

Ny masoko hifantoka hibanjina anao

omeko anao, hanjakao ny fiainako



Indray andro aho nahita Anao Jesoa

Tamin’izay aho nahafantatra

Fa Ianao ihany no Andriamanitra Fitiavanaaaaaaaa

Ka tsy nihahotra aho ny hanatona

Nanolotra ny foko ho anao

Dia noraisinao tamimpitiavana ity foko nitalahoooo

Na tsy mendrika aho dia Novonjenao



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire