mercredi 28 novembre 2018

Chantal - Fitia dia ampy


Na omenao azy ny kintana
Takarinao volana
Tsy izay no tena mahasambatra azy
Fa ny fatsapantena anao no ilainy
Tia azy enao efa ainy,
Mahafoy fotoana sy tambitamby


Teny maminao ireny no mba tiany
Ianao no hizarainy ny ao am-pony
fa tsy misy ny akotrizay
Ka tiany enao eo foana, tiany enao eo foana
Ho mandrakizay

Na diamondra safira, volamena mangirana
tsisy atakalony anao izany
K'aza misahirana mitady izay
tsy ho vitanao fa ny fitiavanao ihany no ilainy
Ka fitia dia ampy e (x3)

Tolory azy ny fitiavanao rehetrarehetra
Aza avela ho rava ny taona hifanesy
Ho mafy orina sy afaka hitoetra ela...
Tsy ho vohozongozon'ireo izay tsy tia

Na mifanalavitra aza ny toeranareo
Dia tsy masakana ny fo tsy ifandray
Ny onjampitiavana izay efa misy
No mampikambana ho iray...

Na diamondra safira, volamena mangirana tsisy atakalony anao izany
K'aza misahirana mitady izay tsy ho vitanao fa ny fitiavanao ihany no ilainy
Ka fitia dia ampy e (x3)

Ka fitia dia ampy
Omeny anao tsisy tambiny e
Ka fitia dia ampy
Fitiavana marina e...
Omeny anao tsy atakalô
Love tsy mifangarô

Refrain

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire