jeudi 9 novembre 2017

Rija Rasolondraibe - Fanalahidy


Refrain :
Aoka e ! aoka ranona a !
Aoka e! lakile ho aho samy manana e!
(Aoka e ! aoka ranona a !)
(Aoka e! lakile ho aho samy manana e!)


Izay fatorako ety an-tany
Voafatotra any an-danitra any
Izay vahako koa torak’izany
Any an-danitra any voavaha avy hatrany
Lakilen’ny fanjakan’Andriamanitra, an-tanan’ny ankohonana
Lakilen’ny fanjakan’ny lanitra,efa azon’ny fiangonana e!

Anoloako varavarana,tsisy afaka manidy
Izaho io miandry fampakarana, lakile ny safidy
Fanalahidin’ny fandrenesana, fanalahidin’ny fisainana
Fanalahidin’ny fahafatesana, fanalahidin’ny fiainana

Samy mampiasa lakile,
Fa tandremo sao lasa amin'ny afobe
Mianatra manisa, firy ny andro sisa
Mampalahelo o! lasa any amin'ny helo
Mibebaka sisa, raha mila paradisa
Mibebaka ihany, fa akaiky izy izany

Jesosy no efa maty fa velona indray
Anazy hoy aho ny valifaty sy ny fiainana mandrakizay
Manantsofina ve? (Manantsofina ve?)
Aoka handre! (Aoka handre!)
Nandresy Izy anie (Nanadresy Izy anie)
Azony ho aho ny lakile (Azony ho aho ny lakile)
Lakile avy any an-danitra any
Mamoha varavarana ety an-tany
Lakile aty ambonin’ny tany
Mamoha varavarana any an-danitra any

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire