lundi 27 novembre 2017

Krismasy foana (Noely) - Gangstabab, Voara, Narindra


Andriamanitra o, mitodika aminao izahay
Fa mafy loatra ny fahantrana zakain’ny firenenay
Fa inona loatra no mahazo an’I Madagasikara Andriamanitra ô!
Gisitra maneran-tany
Ary hita eto daholo ny karazana fahoriana rehetra rehetra
Mafy loatra ny kapoka sy fisedrana mahazo anay
Tsy zakanay intsony ny hazo fijaliana
Ny zioga sy kapoaka mangidy iainanay isan’andro

Voahozona ve izahay sa toitoim-bitana
Izahay efa mivavaka foana foana ho an’ny firenenay
Kanefa rahoviana ary ianao Andriamanitra ô
Vao hihaino sy hamaly vavaka
Fa dia krismasy andro mampalahelo, ohatry ny isan’andro ndray
No iainana amin’ity taona ity
Kanefa ho andry zareo mpanan-karena sy ho an’ny firenena mandroso
Dia krismasy fety be, Krismasy andro malaza

Andro malaza ny andro Noely, ka iderana ny haleloia!
Miara-mihiara amin’ireo anjely, hanandra-peo hoe Gloria!

Gloria, Gloria, in exelsise Deo!
Gloria, Gloria, in exelsise Deo!

Rehefa krismasy ohatran’izao Andriamanitra ô
Dia mba mihiratra kely ny mahantra
Mamorona ny tsy misy hanaovana fety
Fa mba eo koa reo manampy, mizara mitsinjo sy miantra
Ka mangataka aminao ny Gangstà hoe:
Maninona moa raha atao Krismasy foana foana Isan’andro, isan’andro
amin’izay mba manao fety isan’andro isan’andro
amin’izay mba falifaly isan’andro, isan’andro
amin’izay mba metimety isan’andro, isan’andro.
Krismasy foana foana isan’andro, isan’andro.
Dia amin’izay mba adino ny fijaliana
Krismasy foana foana assuré ny kaly atoandro
Dia amin’izay mba adino ny tsy fisiana
Krismasy foana foana, tsy an-kijery tonon’andro
Dia amin’izay mba adino ny fahoriana
Krismasy foana foana n’inon’inona vanin’andro
Dia amin’izay tsisy fangirifiriana.

Kanefa indrisy tokana ihany, no ankalazana ny Noely
Hany andro iray hanomezana mamy , ny lehibe sy ny zazakely.

Nahoana moa raha ovainao Noely, ny andro rehetra hiainan’ety
Amin’izay na lehibe na kely hiadana foana hifankatia

Gloria, Gloria, in exelsise Deo!
Gloria, Gloria, in exelsise Deo!

Ka dia mivavaka sy mitalaho Aminao hatrany izahay Andriamanitra
Mba ho tsirim-pahazavana fa tsy aizim-pitom-pahoriana
Mba ho famindram-po fa tsy fanamelohana
No asetrinao izao vavakay izao
Mba omeo anjara masoandro amin’izay I Madagasikara
Tolory olon-kendry vonona hanasoa
Fa tsy hampivarina an-kady intsony ny firenena Malagasy
Kanefa na izany aza Tompo, dia fantatray fa
Tsy ny sitraponay no atao fa ny sitraponao
Amin’ny anaran’ I jesoa Kristy zanakao no anaovanay izany vavaka izany
Amen!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire