jeudi 9 novembre 2017

Tana Gospel Choir (TGC) - Anao ny dera




Andriamanitra Tsitoha, Tompon’izao rehetra izao
(ho deraina foana anie ny Anaranao)
Tsisy zava-mahagaga izay tsy Azonao atao
(tsy hay refesina ny voninahitrao)
Tena masina Ianao Tompo, mpamonjy ny fiainanay


Refain :
Anao ny dera a! ry Mpanjakanay
Mitoera a! amin'ny fanahinay
Miondrika eo antongotrao indray izahay
Ho Anao ny dera sy haja mandrakizay

Tsy ho toy izao Jesoa,
Raha tsy Ianao nampahoriana.
Hoderaina foana anie ny Anaranao.
Ny ainao nahafoinao tamin'ny hazo fijaliana,
Tsy hay refesina ny voninahitrao.
Tena masina Ianao, Tompo, Mpamonjy ny fiainanay

3-Te hitoetra, tsy manana ahiahy,
Feno fiadanana ny fanahy.
Handova fiainana rahatrizay, ny anilanao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire