jeudi 9 novembre 2017

Anicet - Tsy resy tsy miady

Tsy hilavo lefona zaho na ho resy tsy miady
Zaho manana Anao mpanolo-tsaina mahay
Ka izay ho lazainao rahampitso dia ho ekeko sahady
Zaho manaiky Anao mandrakizay


Refrain :
Fa raha izaho manana Anao aho
Azo itokiana tsotr'izao
Tompo ô!tsy mba ho kivy aho
Na ho resy tsy miady fa manana Anao

Tompo Ô raha ny havoaky ny anio zava-miafina tsy haiko
Soa fa manana Anao mpanolo-tsaina mahay
Koa raha misy ny zava-mahory mety handreraka ny aiko
Zaho matoky Anao mpiady mahay

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire