jeudi 9 novembre 2017

Tanora in Faith - Loharanoko Ianao Jesosy



Hizarako ny hafaliako, hitantarako izay manjo ahy
Ory amin'ny fahoriako, manafa-tahotra sy ahiahy
Loharanon'ny fisiko, Mpanasitrana, Mpiaro ahy
Mpanefa izay mba faniriako
Mandrakizay eo foana Izy ho ahy


Ianao lay loharanom-pifaliana
Ilay loharanon'ny fiadanako, fahasambarako
Ianao Jesosy, Ianao no tena namako
Ilay Mampandresy ahy amin'ny adiko
Ilay manomana ny ho aviko, harambatoko
Ianao Jesosy, Ianao no fitiavako

Jesosy! Ianao no Andriamanitro
Ianao no vatolampiko Ampingako sy fiarovana avo ho ahy...

Hizarako ny hafaliako, hitantarako izay manjo ahy
Ory amin'ny fahoriako, manafa-tahotra sy ahiahy
Loharanon'ny fisiko, Mpanasitrana, Mpiaro ahy
Mpanefa izay mba faniriako
Mandrakizay eo foana Izy

"Jesosy" Ianao lay loharanom-pifaliana
"Jesosy" Ilay loharanon'ny fiadanako, fahasambarako
Ianao Jesosy, Ianao no tena namako
"Jesosy" Ilay Mampandresy ahy amin'ny adiko
"Jesosy" Ilay manomana ny ho aviko, harambatoko
Ianao Jesosy, Ianao no fitiavako
Oh oh oh Ianao Jesosy, Ianao no loharanoko

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire