jeudi 9 novembre 2017

Mahaleo - Saoly niova fo




Fahiny ela be izay dia nisy lehilahy iray
Tody soa amantsara indray an-tanàna nahabe
Tsy niova ilay tanàna mbola toy ilay fahizay
Fa ity lehilahy voalaza no nisy fiovana be

Indray andro ralehilahy handeha ho ao Damaskosy
Teny an-dalana izy nahita an’i Jesosy
Nitodi-doha izy andeha ho ao Jerosalema
Niova fo tanteraka, madio tsy misy kilema


Io no Saoly, Saoly, Saoly
Niova fo
Ho olom-baovao
Io no Saoly, Saoly, Saoly
Niova fo

Fahiny ela be izay nahoana moa ry Saoly
Tao Damaskosy ianao feno fankahalana be
Ireo mino an’i Jesosy tena nohenjehinao
Ankehitriny anefa toa nisy fiovana be
Lasa ireo namana, lasa ireo haditrana
Nahatsiaro ho tena irery, niha hendry ombieny ombieny
Fa i Jehovah tsy nanary azy
Vao mainka nanova fa tsy mba nanasazy

Io no Paoly, Paoly, Paoly
Niova fo
Ho olom-baovao
Io no Paoly, Paoly, Paoly
Niova fo

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire