jeudi 9 novembre 2017

Jim Praise feat Barry's - Ny Fonao



Nafoiny ny lanitra, ilay toerana tsara
Fa naleony nanakaiky anao io
Ianao ilay mpanota efa tokony ho very
Nefa mbola tonga hitady anao Izy
Ianao anie no tiany tsy foiny
Nefa ianao nitady lalana ny andeha
Izy anie miantso, Izy anie miandry
Mijanona ao fa ao ny fiainana anie


Nafoiny ny lanitra, ilay toerana tsara
Fa naleony nanakaiky anao io
Ianao ilay mpanota efa tokony ho very
Nefa mbola tonga hitady anao Izy
Ianao anie no tiany tsy foiny
Nefa ianao nitady lalana ny andeha
Izy anie miantso, Izy anie miandry
Mijanona ao fa ao ny fiainana anie

Ianao anie maminy, ianao anie tsy foiny
Fa aza avela Izy hiteny irery hangahiahy
Izy miangavy, hoe miverana
Tiany ianao ho sambatra ahazo ilay famonjena
Ianao anie maminy, ianao anie tsy foiny
Fa aza avela Izy hiteny irery hangahiahy
Izy miangavy, hoe miverana
Tiany ianao ho sambatra ahazo ilay famonjena

Ianao no nantsoiny mba hanantona Azy
Fa tsy ny marina no tiany hoe hitady Azy
Mihevitra mantsy ianao hoe Izy tsy tia
Fa mpanota ianao tsy mendrika ny ho Azy
Ianao anie no tiany tsy foiny
Nefa ianao nitady lalana ny andeha
Izy anie miantso, Izy anie miandry
Mijanona ao fa ao ny fiainana anie

Ianao anie maminy, ianao anie tsy foiny
Fa aza avela Izy hiteny irery hangahiahy
Izy miangavy, hoe miverana
Tiany ianao ho sambatra ahazo ilay famonjena
Ianao anie maminy, ianao anie tsy foiny
Fa aza avela Izy hiteny irery hangahiahy
Izy miangavy, hoe miverana
Tiany ianao ho sambatra ahazo ilay famonjena

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire